Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Resaky ny mpitsimpona akotry : ankamantatra sisa ny manodidina ny delesitazy

    Sanatria ve dia hisy hihomehy tany vaky ny mponina izay mizaka tsy satry ny vokatry ny tsy fahaiza-mitantana dia ny fanaovana sangy an’ity fanapatapahana ny herin’aratra tsy misy fitsaharana manorisory ity? Teny tsy loa-body daholo ary ankamantatra tsy mila valiny no fampionona atao ho an’ny olona. Eo moa ilay fanontaniana mampifototra fomba fiteny iray manao hoa “nandrasana hampisokatra ny maso, hay moa vao mainka nampikatona azy ao amin’ny maizina”, ny iray kosa dia tena valavala noho ny valiny tsy mendrika ho henon’ny sofina, “iza ny olona niantefan’ny ompa be indrindra aza tamin’ity taona vao manomboka ity” ? Mangina ! Izany hoe tsy ilaina valiana.

    Tsy gisitra amin’ny fampielezana ny fomba entina ijerena ny zava-mitranga moa ny mpitsara vilana sy ny mpanasoketa ny tranga tsy manara-penitra maro karazana. Ao ary ny mpanely tsaho milaza fa misy hono fitsikombakomban’ny mpandraharaha sasantsasany mamporisika ny fitaizana delesitazy. Marina fa ao ireo mahita tombony noho ny fisian’io fanapatapahana jiro matetika sy mateza io. Ny fitaovana ao an-tokatrano toy ny “vata fampangatsiahana” dia mitondra faisana. Miroborobo toy izay ny tsenan’ireny fitaovana ireny, toy izay koa ny famarotana ny gropy mamokatra herin’aratra, vola mivoaka mitatatra ny fahantran’ny firenena avokoa izany, izay kapain-tsy hita fery nefa mampangirifiry ny vahoaka. Ny tena tsapan’ny olona mivantana anefa dia ny vola lany noho ny fanazavana ivelan’ny herin’aratra manginy fotsiny satria tsy tazana miantefa any amin’ny vola fitakin’

    ny Jirama isam-bolana. Tsy mandefitra koa ireo mpanararaotra toy ny mpandraharaha momba ny fanafarana sy fivarotana labozia, midangana ny vidin’io izao, misy efa mahatratra efa-jato sy roa arivo (12.000 fmg) ny iray amin’ireny labozia voalaza “mitsitsy” (économique) ireny. Aoka fotsiny re ! Raha izao no mbola misy sahy hiteny fa tsy misy ny fidangan’ny vidim-piainana dia asakasak’ireo miadakadana irery lavitry ny fahasahiranana andavan’andro zakain’ny besinimaro. Ny fanilihana rihitra amin’ny fanambarana fa vokatry ny sotasota inian’ny vondrona maramara saina atao izany tranga mavesatra miantraika any amin’ny fiainam-bahoaka izany dia efa karazana fibabohana mitory fa tsy zakan’ny tena intsony ny fitantanana ny raharaham-pirenena.

    Léo Raz

     

    Les commentaires sont fermées.