Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Sareraka : « Roa ihany ny lalana hivoahantsika… »

    Sareraka  : « Roa ihany ny lalana hivoahantsika… »

     Sambany indray naneho hevitra ny mpanakanto sady mpanao politika, Randriazanakolona Yvon na i Sareraka. Tsy manana afa-tsy safidy roa isika manoloana izao raharaham-pirenena izao, araka ny nambarany. « Lalana iray ny tokony handrindran’ny fivondronamben’ny eveka izao zava-misy izao. Efa nanitrikitrika ireo fahalovana sy fositra mamotika ny firenena sy ny fiarahamonina ny fiangonana », hoy izy. Safidy na lalana iray natolony koa anefa ny tokony ho anjaran’ny vahoaka ka handraisan’izy ireo andraikitra isan-tanàna, manomboka izao.

    « Hiteny ny tsy mety sy ny olana eto amin’ny firenena ka mba hihaino ireo mpitondra ireo », hoy ihany ity CST teo aloha ity. Nohitsiny koa anefa fa tsy misy mpitondra izany eto. « Mpandroba avokoa izy rehetra ireo », hoy izy. Notsiahiviny fa tena latsaka an-katerena ny firenena manoloana ny fidangan’ny vidim-piainana, ny tsy fandriampahalemana sy tsy filaminana an-tanàn-dehibe sy ambanivohitra, ny kolikoly sy ny fandrobana ny harem-pirenena. « Manao bemarenina sy tsy mihaino anefa ny mpitondra », hoy i Sareraka.

    Synèse R.

     

    Les commentaires sont fermées.