Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Toetry ny andro : hitohy hatrany ny orana

    Hitohy hatramin’ny alahady ny rotsak’orana eto Antananarivo ary hihamafy izany, manomboka anio, araka ny fanazavan’ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro, omaly hariva. Oram-pahavaratra no nirotsaka hatramin’ny omaly alina izay naharitra ora maromaro mihitsy. Nilaza ny tomponandraikitra misahana ny voina fa tsy nisy ny aina nafoy na faharavana fotodrafitrasa vokatry ny rotsak’orana hatreto. Na izany aza, betsaka sahady ny faritra iva dibo-drano toy ny mahazatra raha vao mirotsaka ora maromaro ny orana eto an-dRenivohitra. Efa ela niandrasana rotsak’orana ny tantsaha hamelona ny voly tsy simban’ny hainandro. Hanorana ny andro manerana ny Nosy anio ho an’ny tapak’andro hariva.

    Momba ilay rivodoza Carlos, manalavitra ny morontsirak’i Madagasikara izy amin’ny hafainganam-pandeha 10 km isan’ora ary mikisaka mianatsimo atsinanana. Tsy misy filazana loza mikasika an’i Carlos ety an-tanety. Omaly tamin’ny 9 ora maraina, any amin’ny 590 km atsinanan’i Farafangana no nisy ny foibeny. 120 km isan’ora ny rivotra entiny ary ny tafiotra mahatratra 170 km isan’ora. Vokany, mila mitandrina ny mpampiasa ranomasina eo anelanelan’i Manakara sy i Taolagnaro hitandrina fa hahery ny rivotra ka hanonja be ny ranomasina.

    Vonjy

     

    Les commentaires sont fermées.