Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Fifidianana 2018 : miketrika ny hanilihana an-dRavalo sy Rajoelina ny HVM

    Mipoitra ny lalao maloto ? Nitondra valin-kafatra ho an’ny solontenan’ny Vondrona eoropeanina eto amintsika ny filoha nasionalin’ny HVM ny herinandro teo, tany Alakamisy Itenina. « Manahirana ihany ny nambarany satria misy lalàna velona eto. Nisy tantara teto raha tsiahivina ary nisy heloka vita teo amin’ny firenena. Eo koa ny fifanarahan’i Cotonou. Hofafana avokoa ve izany rehetra izany ? Anjaran’izy ireo ny mamaly izany … Tsy midika izany fa hoe matahotra an’iza ny fanjakana… », hoy Rakotovao Rivo. Nohamafisiny fa malalaka sy afaka mirotsaka avokoa, eny  hatrany amin’ny sefo fokontany rehefa tsy nanao heloka sy tataovana raharaham-pitsarana. Na tsy mivantana aza izany rehetra izany, miketrika sy mitady ny fomba rehetra hanilihana an-dRavalomanana sy Rajoelina ny mpitondra, indrindra fa ny HVM. Efa mazava anefa ny nambaran’ny eo anivon’ny UE na tsy amin’ny fomba ofisialy aza fa tokony ho demokratika ny fifidianana hatao amin’ny 2018. « Manantena izahay fa afaka mandray anjara amin’ny fifidianana avokoa ny rehetra ary tokony ho hita taratra ny demokrasia », hoy i Antonio Sanchez-Benedito, teny Ankorondrano ny herinandro teo.

    Tsy ho afa-bela tamin’ny raharaha 2009 izany ny mpanorina ny Tim sy ny TGV, samy ahilika avokoa amin’ny 2018. Zara aza niteny ny UE, hamoahana izany paikady tsy ahafahan’ny sasany mihazakazaka izany. Samy hotsarain’ny tantara eto.

    Randria

     

    Les commentaires sont fermées.