Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Hitsy toraka : aiza ny olana ?

    Fa aiza ny tena olana ? Ireny ny voka-dalao teo amin’ny fandraisantsika anjara amin’ny sehatra afrikanina. Mbola mampisalasala ny hiatrehana ny lalao miverina. Na izany aza, hita taratra fa manomboka miverina indray ny fitiavan’ny olona ny kitra eto amintsika. Tonga maro ireo mpijery tetsy Mahamasina sy ny teny Vontovorona. Mitaky fandresena izy ireo. Mbola misy lesoka hatrany anefa eo amin’ny fampidiram-baolina na efa tsaratsara aza ny famezivezena baolina eny ambony kianja. Ka aiza àry ny olana ? Tena tsy mahay ve ny mpilalaontsika ? Aiza ny toeran’ny mpanazatrantsika fa mbola tsy mety hatrany ny antsika io fampidiram-baolina io ? Ny baolina maty ihany mantsy ny an’ny mpijery ary mitaky fandresena mazava izy ireo. Hatramin’izao ve tsy mbola nahitana fanafana io tsy fahaizantsika mampidi-baolina io ? Tokony hampandinika ny rehetra izany tsy fahitana vokatra tsara izany…

    Synèse R.

    Les commentaires sont fermées.