Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Kaominina ambanivohitra : mivoatra sy mandroso ny ao Alakamisy Itenina

    Kaominina ambanivohitra : mivoatra sy mandroso ny ao Alakamisy Itenina

    Nahazo tohana. Anisan’ireo kaominina ambanivohitra efa an-dalam-pivoarana ny ao Alakamisy Itenina, any amin’ny distrikan’ Ivohibato, Fianarantsoa. Ohatra amin’ny fampandrosoana efa tonga any an-toerana ny rano fisotro madio. « Miara-miasa amin’ny orinasa vahiny izahay amin’izany. Vidiana mora ny rano ary afaka mampiditra ny isan-tokantrano », hoy ny ben’ny Tanàna, Raharison Roger Fidèle, ny zoma teo tany an-toerana. Efa nahazo izany ireo fokontany dimy. Eo amin’ny herinaratra indray, efa nahazo izany an-taony koa izy ireo. Eo koa ny fanabeazana sy ny fampianarana ifanampian’ny ray aman-dreny sy ny kaominina ary ireo mpampianatra. Mivelona amin’ny fambolena sy ny fiompiana ny mponina maherin’ny 2 100. Miompana amin’ny famokarana vary sy ny fiompiana akoho sy tantely ny ankamaroan’ny olona ao an-toerana. Eo koa ny fananany tohodrano manondraka velaran-tany 120 ha mahery.

    Manoloana izany, nahazo tohana avy amin’ny fitondrana ny kaominina Alakamisy Itenina, ka notoloran’ny fitondram-panjakana provandy na sakafom-biby milanja 12 t, tohon-tantely250 ary koa zanakazo fihinamboa. Tonga tany an-toerana nanolotra izany tany an-toerana ny filoha Rajaonarimampianina ny zoma teo.

    Synèse R.

    Les commentaires sont fermées.