Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Mitohy ny fanaraha-maso ara-teknika : efa niverina ny internet-n’ny Telma

    Tsy niova ny fandaharam-potoana 15 andro, napetraky ny Telma, namerenana amin’ny laoniny ny tambajotrany, indrindra ny lafiny internet. Niverina amin’ny laoniny ny tambajotra, nanomboka ny asabotsy teo, raha vita ny zoma alina ny fampidinana ny tariby (câble) any ambany ranomasina. Na izany aza, tsy maintsy misy ny fanandramana ara-teknika sy amin’ny lafiny rehetra, natao nandritra ny faran’ny herinandro teo.

    Mbola hitohy izany fanandramana ara-teknika izany any amin’ny toerana samihafa, natomboka tany Afrika Atsimo ary mitohy aty Madagasikara. Tsiahivina fa fifandraisan-davitra iraisam-pirenena ny tariby Eassy (fibre optique),  ampiasain’ny Telma, mandalo aty amin’ny ranomasimbe Indianina ka tsy maintsy mafy ny fanaraha-maso satria saro-pady.

    Njaka A.

    Les commentaires sont fermées.