Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Sehon’i Njakatiana : nosembanin’ny fahatapahan-jiro

    Sehon’i Njakatiana : nosembanin’ny fahatapahan-jiro

    Tokony ho raitra ny seho… Ny indro keliny, nosembanin’ny fahatapahan-jiro teny an-tsefatsefany teny ny fampisehoana goavana izay notontosain’i Njakatiana omaly, tetsy amin’ny lapan’ny Fanatanjahantena. Soa fa tsy nampihena ny hafanana teo amin’ireo mpankafy izany, ka na somary sahirana aza ny teny an-tsehatra sy ny teknisianina, tsy nampaninona loatra ireo mpijery kosa.
    Toy ny fanaony hatramin’izay, miezaka hatrany i Njakatiana mitondra zava-baovao sy miavaka. Nisongadina indrindra tamin’ny seho omaly ny fifandimbiasana an-tsehatra nataon’ireo mpanakanto marobe nasainy manokana. Anisan’ireny ry Bako, Mialy Rakotomamonjy, Lilie, Do Rajhonson, Arison Vonjy, tarika Zandry Gasy, Ariane, sns. Hiran’i Njakatiana avokoa no niarahan’izy ireo tamin’izany.
    Anisan’ny nampiakatra ny hafanana ny fiakarana an-tsehatra nataon’i Christian Kely sy Sarobidy, izay nisongadina tamin’ilay fifaninanana “Pazzapa Kids”.  Nahatratra 18 teo ireo mpanakanto nasain’i Njakatiana, ka hira manodidina ny 60 no nalahany ho fanomezana fahafaham-po ireo mpankafy.

    Randria.

    Les commentaires sont fermées.