Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Tsy laitran’ny balan’ny fampitandremana

    Tsy laitran’ny balan’ny fampitandremana

    Mbola ny fitroaran’ny vahoaka vokatr’ity delestazy lavareny sy mahery vaika saika manerana ny faritra maro ity ihany izao no vaovao mitana ny sain’ny maro. Ireny nitranga teny Anosimasina hatreny Andohatapenaka, afakomaly alina, miampy izay efa natomboky ny  mpianatr’i Vontovorona, ny faran’ny herinandro teo ireny no manamafy fa efa tsy zakan’ny rehetra intsony ny zava-miseho. Niavaka amin’ny faritra maro eto amin’ny Nosy ihany ny vahoakan’Antananarivo sy ny manodidina hatramin’izay. Mihafihafy, mipetrapetraka, tsy sahy mihetsika toy ny any amin’ny faritany, na dia efa mafy dia mafy izao aza ny fiantraikany.

    Ho an’ny mpandinika, fampitandremana no dikan’ireny. Fampitandremana ny fanjakana izay toa minia mikimpy manoloana ny fijaliana sy ny fahoriam-bahoaka tsy ary ho voatanisa eto. Fampitandremana fa misy farany, misy fetra ny fiharetana. Fampitandremana fa rehefa feno ny kapoaka, mihoatra ny rano. Rehefa mangotrakotraka ny rano, mipoaka ny sarony… sarom-bilany.

    Fa mba taitra amin’izany ve anefa ireto mpitondra e ? Toa hita mbola tsy rototra ihany. Mahavariana a! Porofon’izany, tsy voalahatra tanaty lahadiniky ny fivorian’ny filankevitry ny governemanta sy ny fivorian’ny filankevitry ny minisitra farany teo akory ny resaka. Toa midika hoe “tsy hiharitra eo ihany ve ireo e!”. Na koa hoe “hihetsika hankaiza eo anefa e?”.

    Rehefa tena mihetsika indray ny vahoaka, avadika ho politika indray ny resaka; “misy ambadika politika e!, ny mpanohitra indray izao no mamporisika e!”, sns. Tsy laitran’ny balan’ny fampitandremana tokoa ireto izy rey olona. Ndao àry fa hiaraha-mahita eo tokoa ny tohiny.

    Mamy Randrian

     

    Les commentaires sont fermées.