Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Distrikan’Arivonimamo : nidina ifotony ny depiote Rodin

    Distrikan’Arivonimamo : nidina ifotony ny depiote Rodin

     Nidina ifotony ary nijery ny hanarenana ny lalana mirefy iray kilaometatra eo anivon’ny fokontany Soanierana ny depiote Rakotomanjato Rodin ny faran’ny herinandro teo. Hatao rarivato izany satria efa potika sady miteraka fahasairanana ho an’ny mponina sy ny famoahana ny vato avy eo amin’ny karieran’i Ambatovory. Ankoatra izany, namaly ny fangatahan’ny EPP Soanierana koa ny tenany ka nanolotra tafo miisa 24  amin’ny fananganana ny “préscolaire” eo anivon’io sekoly io. “Tsy misy fanampina na famatsim-bola na ariary aza avy amin’ny fanjakana amin’izao ny asa atao izao sy ny efa natao. Tsy mifanitsaka amin’ireo asa hotanterahin’ny kaominina ao anatin’ny famatsim-bolan’ny FDL, izany hoe ireo fotodrafitrasa tsy voakasiky ny famatsim-bolam-panjakana  nefa ilain’ny vahoaka no ho tanterahina”, hoy izy.

    Synèse R.

    Les commentaires sont fermées.