Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Nahazo rano ireo tohodrano : nihena ny delestazy teto Antananarivo

    Nahazo rano ireo tohodrano  : nihena ny delestazy teto Antananarivo

    Nirotsaka ny orana nandritra ny faran’ny herinandro teo. Araka, ny tatitra avy any amin’ny Jirama, natao ny alakamisy 9 febroary teo ny fandrotsahana orana tsy voajanahary (faha-14, nanomboka ny desambra 2016). Na sarotra aza ny asa, nahomby ny hetsika, nahatonga ny orambe teto Antananarivo sy ny manodidina. Vokany, afaka nihodina ny milina mamokatra herinaratra avy amin’ny tohodrano any Andekaleka, tena mamatsy ny tambajotra Antananarivo sy ny manodidina (RIA). Atao fiandry kosa ireo milina mihodina amin’ny gazoala sy hampifandrindra ny famatsiana herinaratra.

    Etsy ankilany, nanimba fotodrafitrasa maro ny orambe teto an-dRenivohitra sy ny manodidina, indrindra ny alin’ny asabotsy11 febroary. Niasa avy hatrany ny Jirama nanarina azy ireny, toy ny andrin-jiro nianjera tamin’ny tany, teny Antsahafoy Ambohitrimanjaka, Mahitsy, Andriampamaky, ny arovaratra simba tany Arivonimamo-Ampefy sy Ampahitrosy, sns.

    Njaka A.

    Sary: Fanou R.

    Les commentaires sont fermées.