Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Air Mad sy Air Austral : miara-miasa mankany Guangzhou (Chine)

    Niverina ny faran’ny herinandro teo indray ny zotra Air Madagascar, amina Airbus A340-300, mampitohy an’Antananarivo sy Guangzhou (Chine), mandalo ao La Réunion. Iray taona nitsahatra io zotra io, janoary 2016, ary izao niverina izao indray ny Air Madagascar, mankany Chine sy Azia. Antony nambara nampitsaharana izany zotra izany, ny tsy fahitana tombontsoa avy aminy.

    Ankehitriny, misy ny fiaraha-miasa amin’ny kaompania ao La Réunion, Air Austral.  Hifampizaran’ny kaompania roa tonta ny toerana ao anatin’ny fiaramanidina amin’izany fiaraha-miasa izany, samy antsasany avy. Nanambara ny ao amin’ny Air Madagascar fa nahafeno ny anjarany izy tamin’io zotra voalohany io amin’izao fiaraha-miasa vaovao izao. Nifanaraka ihany koa ny Air Madagascar sy Air Austral fa hanao sidina indroa isan-kerinandro mandroso sy miverina. Miainga eto Antananarivo ny Alarobia sy Alahady  amin’ny 10 ora 45 mn, tonga any Guangzhou ny ampitso amin’ny 5 ora 30. Miala any indray ny alakamisy sy alatsinainy maraina.

    R.Mathieu

    Les commentaires sont fermées.