Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Filohan’ny Vot, Zoe Sarah : « Misokatra ny varavaran’ny CUA »

    Filohan’ny Vot, Zoe Sarah  : « Misokatra ny varavaran’ny CUA »

    Nitondra fanazavana manoloana ireo ambara fa fitsikerana befahatany sy fanasoketana nahazo ny ben’ny Tanàna, Ravalomanana Lalao, tato ho ato, ny eo anivon’ny Vondron’olon-tsotra (Vot), omaly. Nambarany fa ilaina ny fifampiresahana, arahina asa. “Misokatra sy midanadana ho an’ny rehetra ny varavaran’ny ben’ny Tanàna… Midika fahalemena ny fihetsiky ny sasany ireny… Tsy mety ny mifampitsikera raha samy tompon’andraikitra sy olom-boafidy. Samy manana andraikitra ka tokony hifameno sy hiara-kiasa ho amin’ny fampandrosoana ifotony”, hoy ny filohan’ny Vot,  Zoe Sarah, omaly. Nohitsiny fa tokony hanana endrika tsara sy ho fakan-tahaka eo anoloan’ny vahoaka ny mpitantana rehetra. Tafiditra ao anatin’izany ny fanajana ny lalàna, ny fiantohana ny filaminana sy fitoniana. Momba ny fampiasana ny vola 200 tapitrisa Ar, avy amin’ny komitim-paritry ny fampandrosoana (CLD), mazava ny nambarany. “Miara-mitantana ao anatin’io ny depiote sy ny ben’ny Tanàna ary koa ny eo anivon’ny distrika… Ilaina hatrany ny fanetrentena sy ny fifampiresahana. Itakiana vokatra koa anefa izany amin’ny alalan’ny asa eny ifotony”, hoy ihany izy.

    Ankoatra izany, notsiahiviny fa anisan’ny fanambin’ny ben’ny Tanàna ny fidinana ifotony  hijerena ny olana sy ny manahirana ny vahoaka ary koa ny resaka fotodrafitrasa. Niantso ny rehetra koa ny tenany mba tsy hanaiky horangitina fa hiara-kientana ary hanatanteraka ny asa. “Aoka tsy ho be resaka fotsiny”, hoy ny Vot.

    Synèse R. 

     

    Les commentaires sont fermées.