Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Hanohana ny asa sosialy : nivondrona ny vadin’ny ambasadaoro eto amintsika

    Hanohana ny asa sosialy  : nivondrona ny vadin’ny ambasadaoro eto amintsika

    Natsangana omaly teny amin’ny trano fonenan’ny masoivoho alzerianina eny Ambatobe ny fikambanan’ny vadin’ny ambasadaoro izay miasa sy monina eto amintsika (ASCM). Anisan’ny mpikambana ao anatiny ny vadin’ny filoha, Rajaonarimampianina Voahangy sy ny vadin’ireo lehiben’ny andrimpanjakana samihafa misy. Tanjon’ny fikambanana ny hanohana asa sosialy, hivelatra amin’ny fanatanjahantena ary handray anjara amin’ny andro iraisam-pirenena. Tafiditra ao anatin’ny antom-pisiany koa ny fitsidihana ny vakoka sy ny fihaonana amin’ireo tompon’antoka amin’ny fampandrosoana. Nosantarina amin’ny fiaraha-misakafo hizarana ny mampiavaka ny kolontsaina sy ny nahandro ny fihaonana omaly.

    Nandray fitenenana nandritra ny fisantarana ny vadin’ny masoivoho alzerianina, Khadija Bafdal.

    Anisan’ny andraikitra sy tanjon’ny vadin’ny filoha ny hanampy ireo tena marefo eto Madagasikara ka manantena izy fa vina iarahana amin’ireo vadin’ny masoivoho ny fanatanterahana izany, araka ny voalazany nandritra ny lahateniny teny Ambatobe. Zava-dehibe koa ao anatin’ny fikambanana ASCM ny fifanakalozan’ny kolontsaina maro.

    Vonjy

    Les commentaires sont fermées.