Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Hitohy ny oram-baratra : nanalavitra ny morontsiraka i Dineo

    Nihananalavitra an’i Madagasikara ilay rivodoza Dineo, tsy misy filazana mahakasika antsika ety an-tanety izy. Tany amin’ny 470 km andrefan’i Morombe ny foibeny omaly maraina tamin’ny 9 ora. Mahatratra 130 km isan’ora ny tafiotra entiny ka hahery hatrany ny onjan-dranomasina eo anelanelan’i Morondava sy Faux Cap. « Tsy tokony hiandriaka ny mpampiasa ranomasina ao anatin’ny roa andro ho avy », hoy ny teknisianina mpamantatra ny toetry ny andro. Foana kosa ny filazana momba ny orana.

    Hihamatanjaka ny anticyclone hanamafy ny tsiokan’ny alizay anio. Mbola hitoetra ny oram-baratra mitsitokotoko ny tapany hariva. Momba ny maripana anio, hidina izany ka hangatsiatsiaka ny andro any Atsinanana sy eto afovoan-tany ary mety haka volon’andro ririnina mihitsy. Hiakatra kosa ny maripana ny asabotsy.

    Vonjy  

    Les commentaires sont fermées.