Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Kitra Analamanga : niverina ho mpanazatra ny IFC i Rasoanaivo Titi

    Kitra Analamanga  : niverina ho mpanazatra ny IFC i Rasoanaivo Titi

    12 taona aty aoriana, miverina manazatra ny ekipan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, ny IFC,  indray i Rasoanaivo Titi. Ny Iarivo football club izay miatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’Analamanga, ankehitriny. Voalazan’ny loharanom-baovao fa, tena tanjon’ireo tomponandraikitra eo anivon’ny kaominina ny hamerina ny lazan’ity ekipan’Antananarivo ity ankehitriny. Efa tafatsangana rahateo ny birao mitantana ny IFC, ahitana solombavambahoaka sy olona eo anivon’ny kaominina ary ireo mpanohana samy hafa. Raha tsiahivina,  tsy olona vaovao amin’ny tontolon’ny baolina kitra, indrindra fa ny ekipan’ny IFC, i Titi satria efa nitondra azy ireo, tamin’ny taona 2005 sy 2006. Tsara ny vokatra tamin’izany satria nahavita nanao pao-droa ny ekipan’ny kaominina izay mbola Uscafoot ny anarana nentiny. Nandrombaka ny tompondaka sady nahazo ihany koa ny amboaran’i Madagasikara. Andrasan’ny rehetra indray, amin’ity, ny vokatra entin’i Titi. Hatreto aloha, mbola tsy nahazo fandresena ny IFC tamin’ireo lalao roa vitany, amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ligin’Analamanga. Mbola ao anatin’ny fandrafetana sy fitsapana ireo mpilalao rahateo i Titi. Manampy azy, eo amin’ny fanazarana ny IFC, i Léonie.

     Tompondaka

    Les commentaires sont fermées.