Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Milaza ho mahatafiditra mpiasam-panjakana : talen’ny EPP iray nidoboka eny Antanimora

    Milaza ho mahatafiditra mpiasam-panjakana  : talen’ny EPP iray nidoboka eny Antanimora

     Io indray ! Nidoboka eny amin’ny fonjan’Antanimora, afakomaly ilay talen’ny EPP iray miasa eny amin’ny Cisco Atsimondrano. Milaza ho mahatafiditra ho mpiasam-panjakana ao amin’ny minisiteran’ny Fampianarana ingahy tale ka naka vola 5 tapitrisa Ar tamina olona iray…

     

    Tratra teny an-tranony eny Mandroseza ity talen’ny EPP iray miasa eny amin’ny Cisco Atsimondrano ity izay nilaza ho mahatafiditra mpiasam-panjakana eo anivon’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Araka ny loharanom-baovao voaray, isan’ireo mpikambana namolavola ny lisitr’ireo mpampianatra Fram horaisina ho mpiasam-panjakana tamin’ny andiany fahefatra farany teo teny anivon’ny Cisco Atsimondrano ity talen’ny EPP ity. Nilaza tamina mpampianatra iray izy nandritra ny fandrafetana ny anaran’ireo mpampianatra ny taona 2014 fa hoe mahatafiditra ho mpiasam-panjakana satria manana quota ao amin’ny minisitera, saingy mila vola 5 tapitrisa Ar hikarakarany  izany. Tsy nihambahamba nanome ny vola tokoa ilay mpampianatra tamin’io fotoana io. Tapitra ny taona 2014, tsy hita izay marina momba ity raharaha ity. Nokarohin’ilay olona voasoloky izy ny taona 2015, saingy mody mitsoatsoaka. Nametraka fitoriana teny amin’ny mpitandro filaminana ilay voasoloky ka noraisim-potsiny teny an-tranony ity talen’ny EPP ity. Nandeha nanamarina teny amin’ny minisitera momba ny fisian’ity hoe quota ity ilay voasoloky ka voamarina fa tsy misy izany. Milaza ho mahitahita sy akaiky ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ity tale nisoloky ity. Niaiky ny heloka vitany izy nandritra ny famotorana azy. Nohamafisiny araka ny tatitra avy amin’ireo mpitandro filaminana nanao ny fanadihadiana fa olona dimy izay no efa nahazoany vola 5 tapitrisa Ar toy izao. Vao haingana no voaray ho mpiasam-panjakana io tale io, kanjo izao sahady ny nataony. Anatra ho an’ny mpampianatra ny toy izao mba hanaraka ny drafitra efa napetraky ny minisitera. Tokony hojeren’ny minisitera akaiky koa ny momba ireo mpampianatra Fram sasany indrindra ireo mbola tsy voaray. Izany rahateo no mampirongatra ny fisolokiana tahaka izao satria milaza fa hoe manana quota ry zalahy.

    J.C

    (Tahirin-tsary)

    Les commentaires sont fermées.