Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Radio Alliance 92 FM : ho vahinin’ny “Ambarao” anio, ny minisitra Atallah Béatrice

     Ho vahinin’ny fandaharana “Ambarao” ao amin’ny radio Alliance 92.00 FM ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Atallah Béatrice. Anisan’ny horesahin’ny mpanao gazety aminy ny momba ny departemanta iadidiany sy ny lafiny diplaomasia ary ny fifandraisana amin’ny any ivelany. Eo koa ny momba ny raharaham-pirenena amin’ny ankapobeny.

    Tsiahivina renesintsika isaky ny alarobia amin’ny 12 ora sy fahefany ny fandarahana Ambarao amin’ny fiteny malagasy. Amin’ny 1 ora sy fahefany kosa ny amin’ny fiteny frantsay.

    Famerenana ny fandaharana, isaky ny alahady maraina amin’ny 9 ora ho an’ny fiteny frantsay ary amin’ny 12 ora kosa ny amin’ny fiteny malagasy.

    Tsiahivina fa hanasana vahiny momba ny resaka politika, ny toekarena, ny sosialy ary koa ny trangam-piarahamonina ny fandaharana “Ambarao” ao amin’ny Alliance 92. FM.

     

    Les commentaires sont fermées.