Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv
    Logo Free News

    VAKY BANTSILANA : Lavitry ny afo ny kitay momba ny fampandrosoana

    Nilaza ny filohan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana fa maika ny fametrahana ny mpanohitra ara-dalàna eny amin’ny Antenimierampirenena. Hatramin’izao, lazany fotsiny tahaka an’Ambohitsitononina. Tahotra fanoherana sa fitia ny te hanjakazaka tsotra izao ? Ny hita sy tsapa aloha, izay mamory vahoaka, tratran’ny Ramatahora amin’ny alalan-dry Bebaoty mampiasa herim-pamoretana…Mbola soketaina indray aza fa manongam-panjakana izay fatra-pitsikera, tafiditra anatin’izany ny raharaha Loholona Lylison. Ireo mitady hihetsika mafy, amoronana antontan-taratasy tsy ahafaha-mikofoka, sao manelingelina tahaka ny fatin’antitra. Hany ka toa manjaka any amin’ny tanin’ny jamba tokoa ny toka-maso…

    Maso miara-mahita fa manalasala tahaka ny vozon’akoho, ny toe-draharaham-pirenena, hohahina toa taolany, avela anefa toa nofony ihany. Tsy hita ny tena fihatsaram-piainan’ny vahoaka amin’izao fahatelo taona mahery nidirana amin’ny Repoblika fahefatra izao. Novazavazaina sy natao litania ny fahazoana ny vola amina miliara tamin’ireo mpampitrosa mahazatra. Sao malaza tsy ihinanana tahaka ny vilian-tsahona ny raharaha…na ho sanatria manantena herin’olona ka ho diso fanantenana sy hahabe alahelo amin’izay tsy ahombiazana. Efa nolazaina fa hita ny hoenti-manana hanatanterahana ny laharam-pahamehan’ny Drafi-pirenena ho fampandrosoana. Sao ho tratran’ny ampitso ampitso lava tsy misy fiafarany. Ho boka mangala-pihinana, ireo mpitondra, ka ho lany andro am-pisangiana takotra.

    Ny vahoaka hatrany no tahaka ny takotra, tsy vitan’ny miharitra ny mahamay, fa mandao masaka ary miala maina avy eo. Tsy misitraka marina ny tena fampandrosoana. Mihamafy hatrany ny fiainana, ny delestazy mbola tsy mitsaha-mijanona, ny vidin-jiro tsy mitsaha-miakatra. Ny eny amin’ny faritra iva aza, manahy ny ho dibo-drano noho ny tsy fisian’ny fikarakarana ireo tatatra ivarinan’ny rano. Mitaintaina tahaka ny saobakaka am-bodiriana amin’ny tsy fandriampahalemana. Lavitry ny afo ny kitay amin’izay heverina ho fampandrosoana marina satria ny fiainana tsy mitsaha-miakatra, saingy ny karama tsy maharaka ny fihazakazaky ny vidim-piainana.

    Vitsika rava votry ka very fanahy mbola velona ny valalabemandry tsy mety tafafoha, vokatry ny fahantrana lalina, noho ny tsy fahaiza-mitantana. Manjavozavo ny tena fampandrosoana ny maha olona. Lasa resaka ambony latabatra no betsaka amin’ny famoronana asa ho an’ny tanora, mihamanjaka ny tsy fanjarian-tsakafo, mampikaikaika ny olona ny fikarakarana momba ny fahasalamana eny amin’ny hopitalim-panjakana. Efa igagan’ny rehetra, ny fihanaky ny kolikoly mahazo laka any amin’ny sampandraharaham-panjakana isan-karazany. Sao harafesina manimba ny vy, amin’izao fitondrana izao, ny tsy fahaiza-manao sy tsy fananana fahavononana itondra firenena fa tongatonga ho azy sy nisy nanosika? Raha izao aloha no mitohy, mbola ho lavitry ny afo ny kitay, raha ny resaka fampandrosoana no tian-kitodiana…

    Rado Harivelo

    Les commentaires sont fermées.