Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    67 ha : mpanendaka saika matin’ny fitsaram-bahoaka

    67 ha : mpanendaka saika matin’ny fitsaram-bahoaka

     Toy izao amin’ny sary izao ny nanjo ity jiolahy tratran’ny fitsaram-bahoaka teny 67 Ha Atsimo, omaly ity. Araka ny fanazavan’ireo olona nahita ny zava-nitranga teny an-toerana, avy nanendaka olona sendra nandalo tamin’iny faritra iny izy no nifanenjehanan’ny olona. Raikitra ny fifanjevoana satria niantso ilay voaendaka ka nenjehin’ny olona avy hatrany ity jiolahy ity. Tsy lasa lavitra anefa izy satria tratran’ny olona. Samy nanala ny hatezerany tamin’ilay jiolahy ny olona. Efa nitrosotrosona tany anaty fotaka mihitsy aza izy noho ny daroka nahazo azy. Samy nitsaingoka kely taminy avokoa izay nahita. Soa ihany fa nalaky tonga ny polisy fa raha tsy izany matin’ny fitsaram-bahoaka ity tontakely ity.

    Faritra isan’ny malaza ratsy amin’ny tsy fandriampahalemana iny Antetezanafovoany 67 Ha Atsimo. Tsy vitsy ireo iharan’ny fanendahana miharo sinto-mahery eny an-toerana. Voalaza fa ireo olona mandeha irery sy alim-podiana no tena jonoan’ireo jiolahy. Tsy vitan’izay fa manao andiany ry zalahy rehefa manao ny asa ratsiny. Ankoatra izany, lasibatr’izy ireo koa ireo olona miandry miandry taxi-be eo amin’ny fiantsonana eo 67 ha.

    J.C

    Les commentaires sont fermées.