Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Antanimbarinandriana : amboarina ny fiantsonan’ny fiara

    Natomboka, omaly ny asa fanotorana sy fanamboarana ny toby fiantsonan’ny fiara etsy Antanimbarinandriana. Tompon’antoka amin’ny fanatanterahana izany ny kaominina Antananarivo Renivohitra.
    Tafiditra indrindra ao anatin’ny fotodrafitrasan’ny CUA antsoina hoe “Amenagement Urbain” io vavaasa io, toy  ny fananganana ny zaridaina sy toby fiantsonan’ny fiara.
    Tanjona ny hanatsarana ny Renivohitra sy hanamora ny andavanandron’ny mponin’Antananarivo. Natao hipetrapetrahan’ny olona sy hakana aina ary koa haingon’ny tanàna ny zaridaina. Natao hitobian’ireo fiara izay mila izany kosa ny toeram-piantsonana. Haharitra tapa-bolana eo ho eo ny asa.

    Marihina fa manampy betsaka ireo mpiantsena sy mpivarotra eo Mahamasina rehefa alakamisy io toerana fitobian’ny fiara io. Eo koa ireo mpaka sy mpanatitra mpianatra manodidina an’i Mahamasina rehetra izay mampiasa ity toerana ity avokoa.

    Tatiana A

    Les commentaires sont fermées.