Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Fikasana hanongana : tsy faly Rakotomanana Honoré

    Voahozongozona indray ny seza. Namoaka fanambarana ny filohan’ny Antenimierandoholona, omaly manoloana ny fikasan’ny sasany hanongana azy eo amin’ny toerany, niainga amin’ny feo niely tato ho ato. « Fihantsiana sy fanakorontanana ary tsy fitadiavana fitoniana izany. Misy ambadika politika tanteraka. Misy ny fiaraha-miasa amin’ny birao maharitra ary mazava ny fitantanana eto sy ny fanatanterahana ny asam-panjakana », hoy izy.

    Tsiahivina fa nahazo laka indray ny resaka hanonganana ity filoha etsy amin’ny Lapa maitso ity. Anisan’ny anton’izany ny disadisa eo amin’ny samy birao maharitra. Eo koa ny fitantanana tsy mahafa-po sy tsy ahitana taratra ny mangarahara.

    Tsy vao voalohany izao fikasana hanongana an-dRakotomanana Honoré izao fa efa niseho koa tamin’ny taon-dasa.

    Synèse R.

    Les commentaires sont fermées.