Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Kitra – «Champions league d’Europe» : nalain’ny Parizianina baraka 4 no ho 0 i Barça

    Kitra – «Champions league d’Europe» : nalain’ny Parizianina baraka 4 no ho 0 i Barça

    Afa-kenatra tanteraka ny FC Barcelone, teo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa «Champion’s league», taranja baolina kitra. Nomontsanin’ny Paris St Germain, tamin’ny isa mavesatra 4 noho 0, ry Messi.

     

    Montsamontsana ary potika tanteraka ny FC Barcelone, nanaovan’ny Paris St Germain azy, nandritra ny lalao ampahavalon-dalana mandroso amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa “champions league 2017”. Fihaonana notontosaina tao amin’ny kianja Parc des Princes, ny talata lasa teo.

    Niondrika tamin’ny isa mavesatra, 4 no ho 0, teo anatrehan’ny Parizianina ny Barceloney. Afa-baraka tanteraka ry MSN (i Messi, i Suarez ary i Neymar). Tsy nahavita nanao inona na inona, nanoloana an-dry Di Maria sy Cavani, tena nisongadina nandritra ny 90 mn nilalaovana. Na tsy afaka nilalao aza i Thiago kapitenin’ny ekipa, natanjaka teo amin’ny fiarovantena, nanjaka teo afovoan’ny kianja ary nahomby teo amin’ny fanafihana ny PSG nanoloana ny Barça, ekipa andrarezina indrindra eto ambonin’ny tany.

    Nofehezin’ny Parizianina ny fizaram-potoana voalohany. Nanokatra ny isa i Di Maria teo amin’ny minitra faha-18, tamin’ny alalan’ny “coup franc”. Mbola nampian’i Draxler izany teo amin’ny minitra faha-40 tamin’ny alalan’ny valim-panafihana. Io isa 2 noho 0 io no nentin’ny roa tonta niala sasatra.

     

    Tsy afaka tamin’i Kimpembe i Messi

    Na niezaka sy nampiseho ny maha andrarezina azy aza i Lionel Messi, tsy nahadingana an’i Presnel Kimpembe mihitsy fa tena tsara tazona. Tetsy ankilany, nisongadina teny ambony kianja i Di Maria sy i Cavani. Porofon’izany, mbola nampiditra baolina fahatelo indray i Di Maria, teo amin’ny minitra faha-56. Tsy nijanona teo fa mbola nahafaty baolina fahefatra i Cavani, teo amin’ny minitra faha-72.

    Takona tanteraka ry MSN, tamin’ity lalao ity. Amin’ny 8 marsa ny lalao miverina izay heverin’ny rehetra fa mety tsy hanova zavatra betsaka intsony, na any Barcelone aza no atao ny fihaonana.

    Mety hifarana eo amin’ity ampahavalon-dalana ity izany ny lalan’ny FC Barcelone ho an’ny “Champions league”. Tetsy ankilany, lavon’ny Benfica de Lisbonne, tamin’ny isa tokana 1 noho 0 ihany koa i Aubameyang sy ny ekipany, Borussia Dortmund.

     Tompondaka

    Les commentaires sont fermées.