Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv
    Logo Free News

    TANORA SY NY POLITIKA : Lavitra ezaka ny famahana ny olan’ny vahoaka

    TANORA SY NY POLITIKA : Lavitra ezaka ny famahana ny olan’ny vahoaka

    Nafana ny fifanakalozan-kevitra tamin’ireo mpianatra sy ny vahiny nasaina.

    Nanatanteraka famelabelarana arahina fifanakalozan-kevitra ireo mpianatra taona fahefatra ao amin’ny sampam-piofanana lalàna teny amin’ny Oniversiten’ny Katolika eto Madagasikara, tetsy Ambatoroka, omaly. Nivoitra tao anatin’izany adihevitra izany ny momba ny resaka fitantanana ny kaominina sy ny fandresen-dahatra ataon’ny mpitondra mandritra ny fampielezan-kevitra mandra-pahatonga amin’ny fianianana. Nahazo vahana nandritra ny fifanakalozan-kevitra ny olan’ny kaominina amin’ny ankapobeny. Amin’ny maha tanora mianatra momba ny lalàna azy ireo, manana ny fomba fijeriny mahakasika ny fitantanana ny tanànan’Antananarivo. Nisongadina tamin’izany ny olana momba ny tsy fahaiza-mitantana, tsy mazava ny tena fandaharanasan’ny mpitantana ary olana fototra ny tsy fisian’ny vola ahafaha-miroso. Tsy ny laharam-pahamehan’ny vahoaka no tena ataon’ny mpitantana fa resaka zavatra hafa. Vokany, tsy voavaha ny resaka fitohanan’ny fiara, mahazo laka ny fanenjehan’ny mpivarotra sy ny kaominina ary ny maro hafa…

    Tsy mahatana ny teny nomena

    Mahakasika ny fandresen-dahatra ataon’ny mpanao politika momba ny resaka fifidianana, amin’ny ankapobeny, mandra-pahatonga azy eo amin’ny fianianany. Nohazavain-dRalamboson Fy, mpianatra taona fahefatra, amin’ny sampana lalàna fa « manjaka ny kobaka am-bava, izay tsy mitovy ny any Amerika ny eto Madagasikara. Antony mahatonga izay, ny tsy fisian’ny fanabeazana olom-pirenena. Miaina anaty fahantrana ny Malagasy ka mora voavidin’ny « tee shirt sy ny vary iray kapoaka » mba hahazoana fahefana ». Araka ny fanazavana, tsy niaina tanaty antoko no lasa filoham-pirenena fa eo vao mamorona antoko. Rehefa tonga eo amin’ny toerana anefa, tsy mahatazona ny teny nomeny . Nisy, araka izany, ny fifanakalozana tamin’ireo mpanao gazety, sy mpahay lalàna ary mpampianatra, izay nahazoan’izy ireo lesona hanitsiana ny lesoka. Tonga nanotrona izao fotoana izao, ny solontenan’ny Kaominina Antananarivo renivohitra sy ny mpanolotsain’ny Kaominina avy amin’ny mpanohitra, izay nahitana an-dRakotondrazafy Lalatiana, ny mpanao gazety Andriamahery Njaka, ny Pr Rasolo André ary ireo mpianatra.

    Rado Harivelo

    Les commentaires sont fermées.