Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Tselatra

    Naiditra am-ponja vonjimaika ao Marofoto ireo olona miisa 10 voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ilay raharaha famoterana ny polisy ao Besalampy. Heloka anenjehana azy ireo ny vonoan’olona, fikomiana, fanimban-javatra, fandrahonana ho faty sy fitazonana fitaovam-piadiana. Olona iray tamin’izy ireo kosa nahazo fahafahana vonjimaika.

     

    Saron’ny zandary avy ao amin’ny brigade police de la route (bemoto) tao Androy Lalangina nandritra ny fisavana, afakomaly ny taksiborosy iray nitondra rongony milanja 100 kg. Taksiborosy avy Vangaindrano hiakatra aty an-dRenivohitra ity tratran’ny zandary ity. Nilaza ny mpamily fa entan’olona nalefa ity nalefa taksiborosy ity. Notanana avy hatrany ny mpamily raha nogiazana koa ilay fiara taksiborosy sprinter.

     

    Les commentaires sont fermées.