Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Haody : ankasitrahana dieny mbola velona !

    Vaovao re farany, atao veloma hatreo ny « maty vao Ramalala » eo amin’ny mpanakanto. Karakaraina dieny mbola velona ny mari-pankasitrahana ho azy ireo. Tsara, tena tsara izany ! Anisan’ny sitraka goavana ho an’ny mpanakanto eo amin’ny fotoam-pahavelomany ihany koa ny fitsinjovana azy ireo amin’ny asa ataony.

    Raha tsy ho foana aza, tokony mba ho hita, ohatra, ny fihenan’ny piraty. Mila manana trano fandefasana sarimihetsika, filalaovana teatra, fanaovana fanorona, kianja fanaovana adin-kiragasy, sns.

    Hetahetan’ny mpanakanto avokoa ireo ka azo heverina fa fankasitrahana lehibe raha mba valina sy tanterahin’ny fahefana mahefa isan’ambaratongany. Raha ireny mantsy no tontosa, hahavelon-tena ny mpanakanto.

    HaRy Razafindrakoto  

    Les commentaires sont fermées.