Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Ho vita amin’ny marsa : misy farihy fitehirizan-drano ao Atsimondrano

    Misy ny tetikasa fanangonan-drano ao anaty farihy voajanahary ao Atsimondrano ary ho vita amin’ny faran’ny volana marsa izao hanampiana tosika ny fahazoan-drano ho an’iny faritra iny, araka ny fanambaran’ny minisitry ny Rano, omaly. Eo koa ny asa lehibe fizarana rano ho an’ny faritra Androy manokana efa eo am-pamaranana azy. Amin’izao fotoana izao, efa nohidina ny tohodranon’i Tsiazompaniry satria efa avy ny orana teto an-dRenivohitra sy ny manodidina ka ampy mamaly ny filana rano izany. Isorohana ny fiverenan’ny haintany tahaka izao, tokony hitohy ny fambolen-kazo sy ny fanangonana ny ranon’orana isan-tokantrano. Manampy ireo ny fandaminana ny fitantanana ny rano misy.

    Ampianarina hikajy rano ny vahoaka amin’ny sehatra misy azy avy.

    Vonjy

    Les commentaires sont fermées.