Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Taratry ny kanto

    Ndondolah sy Melky
    “Tiako ianao iny” ny lohahevitry ny fampisehoana. Na fantatry ny maro aza ny rohim-pihavanana misy eo amin’i Ndondolah sy i Melky, tsy matetika kosa izy ireo no tafaraka an-tsehatra. Fotoana manokana kosa ny anio alina, etsy amin’ny Akany Nambinintsoa Talatamaty. Tarika roa samy manana ny hanitra ho azy, samy manana hiram-pitiavana mivaivavy ary samy manana hira milamina sy mihetsika avokoa no hiaraka hanafana ny fetin’ny mpifankatia mandritra izany.

    Olombelo Ricky, etsy amin’ny Pim’s
    “Tsy mifidy tontolo aho, itiavako anao”. Eny, raha hiram-pitiavana, manana maro ary tsy afaka am-bavan’ny mpankafy ihany koa ny Olombelo Ricky. Fotoana iray hiverenany kely etsy amin’ny Piment Café Behoririka ny anio alina. Mazava loatra, hanjaka ny hiram-pitiavana, nampiray fo ireo “mpanala azy” hatramin’izay ka hatramin’izao. “Mozika avy ao anaty”, araka ny namaritan’ny mpamorona azy…

    Samoëla sy r’Ikala Vazo
    Hisy fampiaraham-peo ve? Izany avokoa ny fanontanian’izay rehetra liana. Fiarahana hafakely tokoa mantsy izany Samoëla sy r’Ikala Vazo hiaraka an-tsehatra izany. Hotontosaina anio zoma, manomboka amin’ny 8 ora alina io, etsy amin’ny Dôme RTA Ankorondrano. Ny azo antoka aloha, hifandimby ny hiram-pitiavana “mahitsy fidona”, araka ny nahafantarana an’i Samöela, sy ireo hira mambabo fo, araka ny handrindran-dry r’Ikala Vazo azy.

    “Rock & Love” any Bira
    Tarika Kiaka sy ny fitiavana. Manana hira marobe miresaka fitiavana ihany koa ry Nini sy ny tariny, nandritra izay amam-polo taona maro izay. Nisafidy ny Hôtel Impérial Antsirabe kosa izy ireo mba hizarana izany ho an’ireo mpankafy ao an-drenivohitr’i Vakinakaratra, anio alina. “Rock & Love”, araka ny anarana efa fitondran’ny tarika hanomezam-boninahitra ny fitiavana izy ity, ka homem-boninahitra kokoa ireo mpifankatia sady mpankafy.

    Nangonin’i Zo ny Aina

    Les commentaires sont fermées.