Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Croix rouge malagasy : nentanina hahay hiatrika loza ny mpianatra

    Croix rouge malagasy  : nentanina hahay hiatrika loza ny mpianatra

    Mpampita hafatra haingana eny amin’ny fiarahamonina ny ankizy. Izany indrindra no nanentanana azy ireo mikasika ny fiatrehana ny loza rehefa misy tondra-drano na loza  voajanahary mba hizarany izany amin’ny manodidina azy.

    Manodidina ny 1000 ireo mpianatra avy amin’ny EPP 67 ha Avaratra Andrefana, EPP Antetezana Afovoany ary EPP IIIG Hangar nentanina manokana momba ny fiatrehana ny loza rehefa misy tranga ilana izany.

    Niandraiketan’ny Croix rouge malagasy sy ny BNGRC ary ny météo Malagasy ny hetsika fanentanana. Tohana ara-bola avy amin’ny vaomiera eoropeanina  ho an’ny maha olona sy ny fiarovana sivily (Echo) kosa no nenti-niasa.

    Nampahafantarina ireo mpianatra teny an-tsekoly araka izany ireo fihetsika tokony hatao rehefa misy tondra-drano na loza voajanahary. Teo koa ny fizarana ny toe-tsaina tokony hananana manoloana ny fitrangan’ny loza na eny amin’ny fiarahamonina na ao an-dakilasy.

    Tanjona ny hizaran’ny ankizy mpianatra izany fahaiza-manao izany amin’ny fianakaviany sy ny namany ary ny manodidina azy hahafahana miomana amin’ny loza voajanahary mety hitranga indrindra amin’izao fiavian’ny orana izao.

    Nahafantatra ireo karazana loko famantarana rehefa misy rivodoza ireo mpianatra tamin’ireo EPP ireo. Nahafantatra ireo fihetsika tokony hatao ihany koa hiomanana amin’ny fandalovan’ny rivodoza sy ao anatin’ny fandalovan’ny rivodoza ary ny tokony hatao aorian’ny fandalovan’izany. Teo koa ny fampianarana tsotsotra mikasika ny vonjy aina rehefa misy trangan-javatra.

    Tetsy andaniny, nampianarina momba ny tontolon’ny fahadiovana sy ny fidiovana ihany koa ny mpianatra. Anisan’izany ny fanasana tanana amin’ny savony. Ankoatra izany ny fampianarana ny fiatrehana ny fiovaovan’ny toetr’andro izay tsy azo ihodivirana intsony ankehitriny.

    Nanararaotra indrindra ny fankalazana ny “Andron’ny sekoly” ny Croix rouge malagasy sy ny BNGRC ary ny météo malagasy nanatanteraka ity fanentanana teny anivonb’ny sekoly ity, mba hitarihana ny sain’ny mpianatra hivonona amin’ny fiatrehana ny loza voajanahary.

    Tatiana A

    Les commentaires sont fermées.