Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Fanomezan-danja ny teny malagasy : mila mandray andraikitra ny tsirairay

    Andro vitsy sisa, hanamarika ny « Andro eran-tany ho an’ny tenindreny » i Madagasikara. Maro ireo hetsika tontosaina etsy sy eroa. Hafanam-po mivaivay ao anatin’ny andro iray na roa na telo raha maro indrindra ihany anefa izany fa tsy mitohy. Porofo ahatsapana fa tsy ampy ny hetsika ao anatin’ny 21 febroary fa mila iainana isan’andro ny fanandratana ny tenindreny. Mila mandray andraikitra ny tsirairay fa tsy azo azera amina fikambanana na sampandraharaha iray na roa fotsiny ny fampitiavana ny teny malagasy.

    Goavana indrindra amin’ireny ny eo anivon’ny tokantrano. Adidy lehibe ho an’ny ray aman-dreny ny mampahafantatra ny zanany fa Malagasy izy… Saingy ho vitan’izy ireo ve izany ?… Tsy manam-potoana, reraky ny asa, sns. Fa ilay fiheveran-teny fa « ambany » raha miteny malagasy no tena zava-doza. Toe-tsaina mirefarefa amin’ny tany !

    HaRy Razafindrakoto

    Les commentaires sont fermées.