Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Mpampianatra Fram : manetsika ny fitakiana tombontsoa ny Aneffa

    Mpampianatra Fram  : manetsika ny fitakiana tombontsoa ny Aneffa

    « Nampanantena ny fanjakana fa aorian’ny fahavitan’ny fivoriana momba ny frankofonia, hovaliana avokoa ny fitakian’ny mpampianatra Fram. Telo volana aty aoriana, tsy misy fangatahana nahazo valiny izany », hoy ny filohan’ny fikambanana Aneffa, Randrianjafy Elidio. Ankehitriny, manaitra ny sain’ny tomponandraikitra ny mpitarika ny fikambanana hanaja ny teny nifanekena. Mifototra amin’ny zavatra dimy ny fangatahana tombontsoa ho an’ny mpampianatra Fram : fanatsarana ny indemnité de logement, fanafoanana ny fepetra ho an’ireo voaray ho mpiasam-panjakana, fampitomboana ny isan’ny mpampianatra Fram raisina ho mpiasam-panjakana…

    Tamin’ireo rehetra ireo ny fanomezana 10 000 Ar no nambaran’ny fanjakana fa azo tanterahana nefa tsy mbola mihatra akory hatramin’izao, hoy ny mpitarika.

    Fanambarana avy amin’ny fikambanana Aneffa irery ny fanetsehana indray ny fitakiana samihafa ho an’ny mpampianatra Fram fa tsy iraisan’ny Plateforme de l’éducation 13, araka ny fanazavan’ny mpikambana sasany, omaly. Efa niala tsy ho anisan’ny mpikambana rahateo ao anatin’ny plateforme ny fikambanana Aneffa. Hisy ny fivoriana handaminana ny raharaha anatiny ao amin’ny plateforme, ny zoma hoavy izao.

    Vonjy A.

     (Tahirin-tsary)

    Les commentaires sont fermées.