Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Praiminisitra Mahafaly : « Tsara ny mitondra vahaolana »

    Praiminisitra Mahafaly  : « Tsara ny mitondra vahaolana »

     « Misy ny manorina sy manajary ary manarina ny tontolo iainana. Fa misy koa anefa ireo mandrava sy manimba izany. Mamotika ny tontolo iainana politika. Tsara ny manakiana sy ny mitsikera saingy mbola tsara kokoa ny mitondra vahaolana ho amin’ny fanarenana sy ny fanorenana”, hoy ny Praiminisitra Mahafaly Solonandrasana, omaly, teny Imerintsiatosika, tamin’ny fambolen-kazo nataon’ny primatiora sy ny eo anivon’ny minisiteran’ny Atitany.  Nanafatrafatra koa ny lehiben’ny governemanta ny amin’ny tokony hikojakojana ny fambolen-kazo tahaka izao mba haharitra satria tsy nahitana fiovana izany raha ny tato anatin’ny taona vitsy. Nambarany fa tokony hanana fahasahiana ho amin’ny fanorenana sy fanarenana ny rehetra. Nentaniny koa ny minisitera rehetra mba hamboly hazo. Tahaka izany koa ny mpitantana eny ifotony : fokontany, kaominina, distrika, faritra. “ Hatramin’ny mpanao politika sy ny fiarahamonim-pirenena mba hirotsaka an-tsehatra fa tsy ho mpanakiana na hitsikera fotsiny”, hoy ny Praiminisitra Mahalafaly.

    Synèse R.

     Sary : Fano

    Les commentaires sont fermées.