Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Sabotsy Namehana : tapaka roa andro ny jiro, saika hanao hidina an-dalambe ny mponina

    Sabotsy Namehana  : tapaka roa andro ny jiro, saika hanao hidina an-dalambe ny mponina

     Soa fa nalaky tonga ny mpiasan’ny Jirama fa raha tsy izany niafara tamin’ny fihetsiketsehana an-dalambe indray ny fahatapahan-jiro teny Sabotsy Namehana sy ny manodidina. Fantatra araka ny fanazavan’ireo mponina teny an-toerana fa ny alakamisy tolakandro tamin’ny 2 ora no efa tapaka ny jiro ary tsy niverina intsony taorian’izay. Manoloana izany, nanomboka tsy tantin’ny olona izany ka efa niomana hanao fihetsiketsehana an-dalambe izy ireo ho fanairana ny tompon’andraikitra momba ity fahatapahan-jiro ity. Hatramin’ny omaly tapak’andro maraina tsy mbola niverina ny jiro teny an-toerana. Voalaza kosa anefa fa efa nisy mpiasan’ny Jirama tonga nanambomaboatra ny fahasimbana izay nitarika ny fahatapahan-jiro teny Sabotsy Namehana, taorian’izay. Tsy mbola nandeha ihany anefa ny jiro na teo aza izany fanamboarana izany ka nihatezitra hatrany ny mponina. Saika hiroso amin’ny fihetsiketsehana fanairana ireo mponina omaly tolakandro. Fotoana fohy taorian’izay anefa tonga teny an-toerana nanamboatra ny jiro ihany ireo mpiasan’ny Jirama. Niverina tamin’ny laoniny ihany araka izany, ny jiro ka nisintona ny fanapahan-keviny indray ireo mponina efa nentin-katezerana noho ny delestazy lavereny teny an-toerana.

    Vao nanambara ny herinandro teo anefa ny tompon’andraikitra eo anivon’ny Jirama fa ho foana amin’izay ny delestazy satria efa ampy ny rotsak’orana izay somary nampanano sarotra ny orinasa teo aloha. Tsikaritra kosa fa mbola misy ihany ireo faritra sasan-tsasany mbola miaina izany toy ny eny Avaradrano. Misy faritra eto an-dRenivohitra kosa nahitana delestazy ihany koa omaly. Nohamafisin’ny Jirama hatrany anefa fa fanamboarana momba ny lafiny teknika sisa no mety hisy fahatapahan-jiro izay tsy haharitra ela be toy ny taloha intsony.

    J.C

    Sary : Fanou

     

    Les commentaires sont fermées.