Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Toamasina : mpangalatra finday niharan’ny fitsaram-bahoaka

    Toamasina : mpangalatra finday niharan’ny fitsaram-bahoaka

    Manao ranolava ny fitsaram-bahoaka any Toamasina, raha vao mahita na mahatratra olona manao fandikan-dalàna ny fokonolona any an-toerana, noho ireto farany efa leon’ny afitsoky ny fitsarana. Tovolahy iray tokony ho 20 taona voasambotry ny fokonolona tany Tanambao fahadimy tsy lavitry ny fiantsonan’ny taksibrosy, ny alarobia 15 febroary teo, nangalatra sy nanendaka  finday teny amina mpianatra. Nandositra ity jiolahy mpanendaka ity raha vao nahazo ilay findain’ ilay mpianatra.  Raha vao nahita ireo nanatri-maso, nanenjika avy hatrany ilay tovolahy ka tratra ihany. Tafaverina tamin’ ilay mpianatra tompony ihany ilay finday fa kosa tsy namelan’ny fokonolona raha tsy voadaroka ary saika niafara tamin’ny famonoana tanteraka azy, saingy tonga haingana ny  polisy nanavotra an’ ity jiolahy ity. Nentina namonjy ny paositry ny polisy ity farany avy eo. Any Toamasina rahateo, efa ho isan’andro ny asan-jiolahy. Faritra mafana na fanendahana na kidnapping na fanafihana. Izay tratran’ny olona, tratran’ny fitsaram-bahoaka.

    Sajo sy Yves S.

     

    Les commentaires sont fermées.