Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Tselatra

    Notafihin’ny dahalo ny tokantrano iray nangalarana omby tany Andramy Morafenobe, ny 16 febroary teo. Voatifitra teo amin’ny valahany ilay tompon’omby ary efa nalefa notsaboina any Morafenobe. Lasa ny omby miisa 13. Nanara-dia avy hatrany ny zandary telo niaraka amin’ny fokonolona miisa 30 ka tafaverina ny omby enina. Nizotra nankany amin’ny fari-piadidian’ny borigady Ankondromena ny dian’omby. Mitohy ny fanarahan-dia.

    Vehivavy iray 37 taona nahatrarana fonosan-drongony miisa 45 tany Belinta Mahajanga. Saika haparitaka any Mahajanga ireo, ary voalaza fa isan’ny saika ivarotana azy ireo koa ny mpianatra. Tsy ny eto Antananarivo ihany no iparitahan’ny rongony sy amidy amin’ny mpianatra fa efa any amin’ny faritra koa. Mila fandraisana andraikitry ny mpitandro filaminana mafy.

    Les commentaires sont fermées.