Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv
    Logo Free News

    ANTOKO MARINA : Hiteraka krizy ny firotsahan-kofidin’ny filoham-pirenena

    ANTOKO MARINA : Hiteraka krizy ny firotsahan-kofidin’ny filoham-pirenena

    « Fahendrena ho an’ny filoham-pirenena ny tsy mirotsaka », hoy ny antoko Marina.

    Vory lanona teny Ambatomirahavavy ireo mpikambana eo anivon’ny Antoko Marina, omaly. Nivoitra nandritra ny fihaonana ny fananan’ity antoko ity solontena amin’ny fifidianana rehetra hiseho eto amin’ny tany sy ny firenena. Navoitran-dRanaivoson Désiré, mpandrindra ankapobeny eo anivon’ity antoko ity fa « vonona izahay hiatrika ny fifidianana rehetra indrindra ny filoham-pirenena, saingy misy ny fepetra dimy tokony hotanterahina ». Tafiditra ao anatin’io fepetra io ny fanaovana ny fifidianana filoham-pokontany voalohany, izay antoka amin’ny fikarakarana ny lisi-pifidianana. Manaraka avy eo, ny fahalalana maneho hevitra amin’ny maha tany demokratika antsika. Tokony hazava ny fitsipi-dalao, toy ny fanajana ny lalàm-pifidianana isorohana ny olana aorian’ny fifidianana. Napetrak’izy ireo koa ny hamoahana ny daty mazava amin’ny fifidianana ary anisan’ny tena goavana, ny fangatahan’izy ireo ny tsy hirotsahan’ny filoham-pirenena fa hijanona ho raiamandreny izy.

    Miteraka krizy hatrany

    « Mila maka lesona amin’ny tantara isika. Nanomboka ny taona 1972, 1991, 2001 ary ny 2009, miteraka krizy hatrany ny firotsahan’ny tompom-pahefana, noho ny fampiasana ny fahefam-panjakana », hoy hatrany Ranaivoson Desiré. Mba hilaminan’ny tany sy ny fanjakana sy tsy hisian’ny krizy aorian’ny fifidianana, fahendrena ho an’ny filoham-pirenena ny tsy mirotsaka satria mitera-doza. Izany akory tsy midika fa tsy afa-kirotsaka izy, fa aleo mijanona hatrany ho raiamandreny « Iaraha-mahita ireny ny amboletra nataon’ny ireo eo amin’ny fahefana fa manao an-tery hatrany izy ireo, raha tsy hiresaka afa-sy ny fifidianana ben’ny Tanàna sy ny fifidianana loholona farany teo. Tsy fatahorana azy akory fa fisorohana tsy hisian’ny korontana eto amin’ny tany sy ny firenena », hoy izy. Anisan’ny notsindrian’ny antoko Marina mafy ny hametrahana mazava tsara ny fifidiana demokratika. Noho izany, mitaky ny fisokafan’ny haino aman-jerim-panjakana izy ireo, ahafahan’ny olom-pirenena maneho hevitra, hirosoan’ny firenena.

    Rado Harivelo

    Les commentaires sont fermées.