Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv
    Logo Free News

    RAHARAHAM-PIRENENA : Manao izay danin’ny kibony ny fitondram-panjakana

    “Efa an’ny mpitondra ny governemanta, ny olona ao amin’ny antenimierandoholona, azy ireo avokoa ny ao amin’ny antenimierampirenena. Malemy dia malemy ny mpanohitra manoloana ny fitondrana. Ny olom-pirenena tsy vonona hanao mpanohitra manoloana ny tsy fetezan’ny fitantanana fa mimenomenona fotsiny”. Anisan’ny fanehoan-kevi-dRalambomahay Toavina, mpamakafaka politika io, mahakasika ny raharaham-pirenena misy ankehitriny. Tsy misy na inona na inona intsony azo atao fa miandry izay higadonany sisa ny vahoaka malagasy. Manao izay danin’ny kibony hatrany ny fitondram-panjakana momba ny resaka fampiharan-dalàna. Na ny mpitondra na ny mpanohitra samy miezaka mamaky ny lalàna araka izay tiany sy isian’ny tombontsoany. “Efa ho telo taona sy tapany izay no nitantanan’ny fitondrana HVM, saingy mbola misy andrim-panjakana tsy tafapetraka hatramin’izao. Anisan’izany ny fametrahana ny Fitsarana avo ahafaha-mitsara ireo olona ambony, eo koa ny tsy mbola fijoroan’ny mpanohitra eo anivon’ny antenimiera”, hoy hatrany ity mpamakafaka politika ity.

    Tsy mihatra ny fampiharan-dalàna

    Raha tsy tafatoetra ny fijoroan’ny mpanohitra eny anivon’ny antenimiera sy ny tsy fitsanganan’ny Fitsarana avo, tsy fantatra izay manana ny marina sy ny rariny fa samy manao izay mampetipety aminy fotsiny ny mpitondra. Nanambara, ohatra, ny avy amin’ny antoko mpanohitra iray fa “tokony hampiharina araka ny tokony ho izy ny lalàna. Izay mampety ny mpitondra hatrany no ataony, tsy mahagaga raha mirongatra ny fitsaram-bahoaka noho izay fisian’ny mizana tsindrin’ila amin’ny fampiharan-dalàna izay”. Mahazo vahana, araka izany, ny fisian’ny tsimatimanota ao anatin’ny fitondrana satria ny fitsarana lasa fitsaran’ny mpitondra no fitsaran’ny mpandresy ary fitsaran’ny mahery. Koa na voakitika amin’ny raharaham-pitsarana azy ireo tsimatimanota ireo, ihomehezany fotsiny ny fitsarana, raha ny fanampim-panazavany ihany. “Koa na apetraka aza ny Fitsarana avo, saingy mbola ny olon’ny fitondrana ihany no ao na tsy ampiharina, mitovy amin’ny tsy misy ihany izany”, hoy izy. Nanteriny fa marobe no voahitsakitsaka ny andinin-dalàna ao anatin’io lalàmpanorenana io, saingy tsy misy hetsika azo tanterahina. Na tsara tahaka ny inona aza ny lalàna, saingy tsy ampiharina sy roritina araka ny tombontsoan’ny mpitondra, karazany tsy misy hatrany.

    Pierre M.

    Les commentaires sont fermées.