Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Fianakaviana : « Tsy manao FB i Lylison »

    Nambaran’ny fianakaviana ary nampitain’ny fahitalavitra Kolo TV, ny asabotsy teo fa tsy mitombina ny fananan’ny loholona Lylison kaonty « Facebook ». « Tsy manao izany izy fa hosoka sy sandoka izany », hoy izy ireo.

    Anisan’ny fanambarana amin’ireo kaonty roa ireo ny tsy fahatahoran’ny Kly Lylison ny fitondrana sy ny fihantsiana nataony. « Enjeho aho raha tratranareo, vonoy aho raha ho fatinareo. Miandry anareo aho ary tsy matahotra », hoy ilay FB, mitondra ny anarany. Efa niseho koa ny tahaka izao tamin’ny 21 novambra 2016, manainga ny miaramila hiala an-daharana. Tahaka izany koa tamin’ny « Raharaha Soamahamanina » ny 22 septambra 2016, miantso ny mpitandro filaminana mba tsy hitazam-potsiny. Hatreto aloha izany, tsy fantatra ny mampiasa sy misoloky ny anaran’ny Kly Lylison amin’ireo kaonty roa ireo.

    Na izany aza, efa naneho ny heviny tamin’ny alalan’ny « youtube » indroa miantoana ity olon’ny Mapar ity. Anisan’izany ny taorian’ilay asa fampihorohoroana tetsy Mahamasina ny 26 jona 2016.

    Synèse R.

    Les commentaires sont fermées.