Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Fianarantsoa : nidoboka am-ponja ilay polisy vavy nidaroka ny mpiasany

     Naiditra am-ponja vonjimaika ao Fianarantsoa, ny zoma teo ilay polisy vavy sy ny olona iray mpiray tsikombakomba aminy izay voarohirohy ho nidaroka sy nanao herisetra tamin’ny tovolahy iray mpiasa an-tranony. Vesatra iampangana azy ireo ny fampijaliana miharo herisetra ary fanamparam-pahefana. Nolazain’ilay polisy vavy mampiasa azy fa hoe nangala-bola ity mpanampiny ity ka izao niharan’ny fampijaliana izao. Nofatorana ilay niharam-boina ka notondrahana rano mangotraka. Vokany, nitsovaka ny vatany iray manontolo. Naratra mafy, araka izany, ity tovolahy ity. Manoloana izany, niezaka nanao fanelanelanana tamin’ny alalan’ny fanomezana vola 10 tapitrisa Ar mahery niampy tsindry bokotra ny fianakavian’ilay mpampiasa, saingy tsy nety kosa ny fianakavian’ilay tovolahy niharam-boina. Nanambitamby amin’ny hanaovana raharaham-pihavanana ity raharaha ity ny fianakavian’ilay polisy nahavanon-doza. Tsy nanaiky hatrany anefa ny fianakaviana fa nitondra ny raharaha teny anivon’ny mpitandro filaminana ka izao niafara tamin’ny fampidirana am-ponja izao. Maro, araka izany, ireo olona mitaraina amin’ny fihetsik’ity mpitandro filaminana vavy ity ka mangataka ny hamindrana toerana azy. Andrasana ny tohin’ity raharaha ity. Ny alarobia izao kosa no hiakatra fitsarana ireto voarohirohy ireto.

    Randria

     

    Les commentaires sont fermées.