Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Hitsy toraka : aleo saro-piaro.

    Samy niaiky avokoa ny rehetra na ireo mpilalao vahiny nilalao teo Mahamasina aza, herinandro lasa izay, nandritra ny fifaninanana niadiana ny amboaran’ny kaonfederasiona fa tsara ny bozaka teo amin’ny kianjaben’i Mahamasina. Porofo izany fa rehefa misy ny finiavana eo amin’ny Malagasy, manomboka any amin’ny tomponandraikitra ka hatraty amin’ny mpanohana, mahavita zavatra tsara.

    Nandanina volabe ihany koa izany ary miditra amin’ny fifanarahana matotra ny kaominina sy ny federasiona amin’ny fikarakarana sy fikojakojana izany. Tokony ho saro-piaro amin’io fotodrafitrasa io avokoa manomboka izao ny tsirairay fa tsy atao sary indray mipika, toy ny sarimihetsika ny fahatsaran’ny kianja.

    Na an’ny kaominina aza ny kianja, mila fandraisana fepetra henjana ny fampiasana azy. Aleo ny kianja ho an’ny fanatanjahantena, fa tsy hosokafana ho an’ireo sehatra hafa. Rehefa tsara ny kianja, miakatra ho azy ny fahaizan’ny mpilalao indrindra fa amin’izao fotoana somary mampidina ny lentan’ny kitra malagasy izao. Heverina izany fa hitondra aina vao ho an’ny kitra eto Madagasikara ny fahatsaran’ny kianjaben’i Mahamasina.

     Tompondaka

    Les commentaires sont fermées.