Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Malagasy rugby : tsy hiara-kiasa amin’ireo kandidà nitory azy i Marcel

    Malagasy rugby  : tsy hiara-kiasa amin’ireo kandidà nitory azy i Marcel

    Nampahafantarina tamin’ny asabotsy lasa teo, teny amin’ny foibe toeran’ny Malagasy Rugby teny Ankorondrano, ireo mpikambana eo anivon’ny Malagasy rugby hiasa ho an’ny taom-piasa efatra manaraka. Tamin’izany no nanambaran-dRakotomalala Marcel, filohan’ny Malagasy rugby fa tsy vonona hiara-kiasa amin’ireo kandidà nitory azy izy. Raha tsiahivina, anisan’izany Rakotomanga Santoni Ismael sy Rakotonirina Alain. «Manana fair-play ny tenako saingy tsy afaka hiara-kiasa amin’ny olona nitory ahy. Ny mampalahelo dia tsy ny Malagasy rugby no notoriany fa ny tenako mihitsy, nefa resaka rugby no lazainy fa olana”, hoy izy.

    Raha hiverenana kosa ny firafitry ny komity mpitantana dia misokatra satria hahitana ireo ankolafin-kery rehetra. Tafiditra amin’izany ireo mpilalao fahiny tao anaty ekipam-pirenena, ny mpanohana sy mpankafy. Nisy ihany koa ireo komisiona samihafa hisahana ny fampiroboroboana ny taranja sy ny lafiny teknika.

    Hisy fiavahany ny fandaharam-potoan’ny Malagasy rugby, ho an’ity taom-piasana manaraka ity satria hisokatra ho an’ny sokajin’olona sy ny sokajin-taona rehetra ny fifaninanana eo amin’ny rugby amin’ity taom-piasana ity “Rugby pour tous”. Anisan’ny hisy fihaonana ny “rugby beach” sy ny an’ireo “véteran” ary ny an’ny kilonga madinika miainga any amin’ny sekoly.

    Torcelin

    Sary Mamiherson

     

    Ireo firafitry ny Malagasy Rugby :

    Filoha : Rakotomalala Joseph Marcel
    Filoha lefitra 1: Solofoson Bien Aimé
    Filoha lefitra 2 : Mamode Houssene Irsade
    Sekretera jeneraly : Andriamanga Herivelo
    Mpitambola : Ramanoelina Jocelyn
    Mpanolotsaina : Rakotoarison Florent Marcel ; Rakotnandrianina Narcisse ; Raharison Bodosoaniaina Lalao

    Les commentaires sont fermées.