Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    «Super coupe d’Afrique 2016» : masan’ny Mamelodi ny amboara

    «Super coupe d’Afrique 2016»  : masan’ny Mamelodi ny amboara

    Norombahin’ny Mamelodi Sundowns avy ao Afrika Atsimo, tompondakan’i Afrika ny «Super coupe 2016». Resiny tamin’ny isa tokana 1 no ho 0 ny Tout Puissant Mazembe avy any Kongo, tompon’ny amboara. Fihaonana natao tao amin’ny kianja Lucas Masterpieces Moripe Stadium, tao Afrika Atsimo ny asabotsy lasa teo.

    Baolina tokana, tafiditr’i Ricardo Nascimento, ilay Brezilianina manatevin-daharana ny Mamelodi, teo amin’ny minitra faha-83 tamin’ny alalan’ny “penalty”. Niady hatramin’ny farany ny lalaon’ny roa tonta ary tena avo lenta sy nahafinaritra ireo mpijery ny nanaraka ny fihaonana satria samy manana ny fahaiza-manaony avokoa ny andaniny sy ny ankilany. Fanindroany amin’izao no nisy ekipa afrikanina tatsimo, sady nandrombaka ny tompondakan’i Afrika no nahazo koa ny “super coupe”.

    Raha tsiahivina, efa tany amin’ny taona 1996 ny nahazoan’ny Orlando Pirates izany ary efa 21 taona aty aoriana vao niverina ao Afrika Atsimo indray izany.

    Marihina fa efa intelo nandrombaka ity “super coupe” ity ny Tout Puissant Mazembe, saingy izao nosakanan’ny Mamelodi Sundowns izany fikasan’izay ireo haka, an’ity anaram-boninahitra ity, faninefany.

     Tompondaka

     

    Les commentaires sont fermées.