Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Boriborintany II : olona 360 nomena sakafo

     Mitohy ny hetsiky ny minisiteran’ny Mponina amin’ny fizarana sakafo masaka ho an’ny olona marefo eto an-dRenivohitra. Nahazo izany ny olona 360 avy amin’ny fokontany 24, ao anatin’ny boriborintany II, ny faran’ny herinandro teo. Laharam-pahamehana ireo zokiolona izay noentanina hivondrona anaty fikambanana hanamorana ny fanampiana azy avy amin’ny minisitera mpiahy sy ny fikambanana samihafa maro.

    Betsaka ireo sahirana amin’izao fotoana izao manoloana ny fiakaran’ny vidim-piainana ka tsy mahavita misakafo araka ny tokony ho izy intsony. Hatomboky ny tomponandraikitry ny minisitera amin’ny eto Antananarivo Renivohitra ny hetsika fa misy ny fametrahana lamina hampaharitra ny asa toy izao.

    Vonjy

     

     

    Les commentaires sont fermées.