Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Centre Vonjy : ankizivavy 17 taona voaolana

    Centre Vonjy  : ankizivavy 17 taona voaolana

    Nandray fitarainana avy amin’ny ray aman-drenin’ny tovovavy iray 17 taona voaolana, ny ivontoerana Vonjy ao anatin’ny toeram-piterahana Befelatanana, omaly. Fianakaviana ihany ilay lehilahy nahavanon-doza araka ny fitantaran’ny rain’ilay ankizivavy ary tsy hanaiky fa hitory izy ireo. Efa nozahan’ny mpitsabo ilay niharan’ny herisetra. Nitsidika io toeram-pandraisana io ny delegasiona avy any Burundi, omaly, satria hametraka rafitra iray mahaleotena tahaka ny Vonjy izy ireo any aminy. Efa voasahana ao avokoa ny lafiny fahasalamana (fitsaboana), tohana ara-tsaina ary ny mpitandro filaminana mandray ny fitorian’ny niharan’ny herisetra ara-pananahana (fanolanana).

    Ankoatra ny eny Befelatanana, hitsidika ny sampana BMH Isotry ny vahiny hijery ifotony ny fandraisana ny fitarainana momba ny herisetra atao amin’ny ankizy amin’ny antso maitso 147. Hitafa mivantana amin’ny  mpisehatra ara-tsosialy eny anivon’ny fokontany ny tomponandraikitra malagasy sy burundaise momba ny herisetra miseho isam-pokontany.

    Tetikasa napetraka niarahana amin’ny Unicef, hanamorana ny fandraisana an-tanana ireo ankizy niharan’ny herisetra amin’ny endriny rehetra ny Vonjy eo Befelatanana.

    Vonjy

    Les commentaires sont fermées.