Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Kaominina Soanierana Ivongo : hametraka fitoriana anivon’ny fitsarana

    Tsy hangina manana ny rariny izahay mpanatanteraka ato amin’ny kaominina, fa manana porofo eo am-pelatananay ary hitondra ny fitoriana any amin’ny fitsarana misahana ny ady ifanaovana amin’ny fanjakana. Tsy ekanay intsony ny fanaovana antsonjay ny mpanatanteraka sy ny vahoaka lasa lasibatra tahaka izao“, hoy ny ben’ny Tanàna sy ny lefiny roa lahy. Nambaran’ny solombavambahoaka, Tody Arnaud, fa ilàna olona mahasahy ny fampandrosoana ny disitrikan’ i Soanierana Ivongo, tsy ho olona matahotra.

    Mirongatra ny tsy fanajana ny zon’ olombelona

    Noho ity disitrika ity anisan’ny mahavokatra lavanila, mirongatra ny halatra mbola eny am-potony ataon’ny jiolahy. Andaniny kosa, tsy mandefitra ny fokonolona, lasa manao fitsaram-bahoaka avy hatrany tsy misy indrafo. Fihetsika mifanipaka amin’ny lalàna velona sy tsy fanajana zon’olombelona. Tsy mahazaka olona marary saina ny ao an-toerana. Misy toerana fitsaboana olona marary saina eto amin’ny firenena raha ohatra ka tsy zakan’ny fiarahamonina intsony ny ataon’ izy ireny.

    Mbola endrika tsy fanajana ny zon’ olombelona avokoa ny fanagiazana ny volan’ny kaominina, ny tsy famelàna ny mpanatanteraka hiasa ara-dalàna ho tombotsoan’ny vahoaka ao aminy.

    Sajo

    Les commentaires sont fermées.