Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Kitra : hangotraka ny lalaon’ny Monaco sy Manchester City

    Kitra : hangotraka ny lalaon’ny  Monaco sy Manchester City

    Hotanterahina amin’ity anio ity ny ampahavalon-dalana mandroso eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, taranja baolina kitra na ny “ligue des champions”. Anisan’ny fandaharam-potoana voalahatra amin’izany ny fifandonan’ny AS Monaco sy ny Manchester City. Hanafika any Angletera amin’ity ny ekipa frantsay.

    Sambany ary voalohany no hifanandrina ny ekipa roa tonta. Hatreto aloha, manana tombony ny Anglisy, saingy hahazo vahana kosa ny Monegaska noho izy mbola handray ny fihaonana miverina. Na izany aza, mailo ny Frantsay ka mihevitra fa hanao ady sahala fotsiny. Araka izany, avy hatrany dia handahatra ireo mpilalao manana traikefa ny mpanazatrany. Anisan’ireny, ny fiverenan’ilay Arzantin, i Guido Carrillo izay efa sitrana. Eo koa ilay Brezilianina, i Jorge izay vao nantsoina hanatevina ny ekipa.

    Ankoatra izay, mbola lalao goavana ihany koa ny fandraisan’ny Bayer 04 Leverkusen ny Atletico de Madrid.

     Tompondaka

    Les commentaires sont fermées.