Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Maternite Befelatanana : vehivavy 1 000 hotilina ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza

    Maternite Befelatanana  : vehivavy 1 000 hotilina ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza

    « 25% amin’ny homamiadana mpahazo ny vehivavy, mitranga amin’ny vozon’ny tranon-jaza avokoa. Antontanisa iraisan’izao tontolo izao io ary tsy manalavitra amin’izany ny zava-misy eto amintsika », hoy ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Andriamanarivo Lalatiana, omaly teny amin’ny toeram-piterahana sy fikarakarana momba ny reny ao Befelatanana. « Azo sorohina amin’ny fitiliana mialoha ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza ary mbla sitrana tsara raha vao miandoha ny aretina », hoy ny dokotera Praveen Ramdaursingh, filohan’ny Rotary Vacoas, avy any Maorisy. Tonga eto Madagasikara ny delegasiona maorisianina ahitana olona 10 (mpitsabo sy paramédicaux) hanao fitiliana ny vozon’ny tranon-jaza. Nitondra fitaovana avo lenta coloscopie hijerena ny fahavoazana ao amin’ny vozon’ny tranon-jaza izy ireo, miaraka amin’ny kojakoja marobe. Nanomboka omaly ny fitiliana eny amin’ny toeram-piterahana Befelatanana ary hifarana ny 1 marsa ho avy izao. Maimaimpoana ny fitiliana sy ny fandraisana an-tanana raha vao miandoha ny aretina voatily ho an’ny vehivavy 25-60 taona, tsy mitondra vohoka. Hizara roa ny ekipa, ny voalohany handray ireo vehivavy ao Befelatanana, ny faharoa ho eny amin’ny Zone Forello Tanjombato eo anivon’ny orinasa Karina, mampiasa vehivavy 600.

    Hoentina any amin’ny toeram-pitsaboana Fortis Clinic Darne any Maorisy ny fitiliana rehetra hohadihadiana ary hivaly afaka iray volana.

     

    300 tapitrisa Ar ny vola nahetsika amin’ny tetikasa

    Miara-miasa amin’ny fanatanterahana ny tetikasa ny Rotary Ivandry sy ny Rotary Vacoas ao Maorisy ary ny minisiteran’ny Fahasalamana. Nitondra maimaimpoana ny fitaovana rehetra ny Air Mauritius hanampy amin’ny fitiliana hatao. Manodidina ny 300 tapitrisa Ar ny tetibola naompana amin’ny asa rehetra. Entanina ny vehivavy rehetra 25-60 taona hanatona eny amin’ny maternite Befelatanana hitily ny vozon’ny tranon-jaza fa maimaimpoana izany. Eny amin’ny Institut Pasteur de Madagascar, manodidina ny 110 000 Ar ny saran’ny frottis cervico-vaginal hitiliana ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza.

    Vonjy A.

    Les commentaires sont fermées.