Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Polisy matin’ny fitsaram-bahoaka : nitsoaka any anaty ala ireo mponina ao Ambalamanga Befandriana

    Polisy matin’ny fitsaram-bahoaka : nitsoaka any anaty ala ireo mponina ao Ambalamanga Befandriana

     Azo lazaina ho mbola tsy milamina ny toe-draharaha manoloana ilay fitsaram-bahoaka nahafatesana polisy roa lahy, tao Ambalamanga Befandriana Avaratra, ny asabotsy hariva teo. Lasa nitsoaka any anaty ala kosa ireo mponina nahavanon-doza fa matahotra fisamborana…

     

    Efa tonga any Befandriana hatry ny omaly ireo polisy hanao ny fanadihadiana momba ity raharaha fitsaram-bahoaka nahafatesana polisy roa lahy teo am-panatanterahana ny asa ity. Voalazan’ny loharanom-baovao iray fa matahotra tanteraka ireo mponina ao Ambalamanga, ka lasa nitsoaka any anaty ala ny ankamaroany satria manahy sao hiafara amin’ny fisamborana ity raharaha ity. Tanàna kely vitsivitsy ity Ambalamanga ity ka ny ampahan’olona vitsivitsy tao an-tanàna no namono ireo polisy roa lahy, araka ny fanazavana hatrany. Tsiahivina fa tsy faly tamin’ny fisamborana ity lehilahy ity ny mponina tao an-toerana ka nanampatra ny hatezerany tamin’ireo mpitandro filaminana roa lahy. Nahazo taratasy avy amin’ny fitsarana amin’ny hahazoana manao ny fisamborana ilay lehilahy, ireto polisy roa lahy ireto, kanefa izao niafara tamin’ny fitsaram-bahoaka izao ny raharaha. Tsy nanaiky izany anefa ny mponina ka niandry ny fandalovan’ireo polisy roa lahy nitondra ilay lehilahy teo am-pivoahana ny tanàna. Niharan’ny tora-bato sy ny tsindrona antsy avy hatrany izy roa lahy raha vantany vao nivoaka ny tanàna. Tafaporitsaka kosa ilay olona nosamborina, saingy tratran’ny zandary taorian’izay. Nalain’ny olona kosa ny basy PA teny amin’ilay polisy iray. Natsipin’ireo olona teo akaikin’ny fatin’ireo polisy ihany anefa ilay basy, saingy efa tsy nisy bala intsony. Nidina tany an-toerana avy hatrany ny zandary avy ao amin’ny kaompanian’i Mandritsara sy ny borigady ao Antsakabary nanao ny fanadihadiana. Ny polisy kosa no manohy ny fanadihadiana rehetra.

    J.C

    Les commentaires sont fermées.