Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Vonoan’olona teny Andavamamba : 17 taona roa sy 19 taona nahavita nanindrona antsy olona

    Vonoan’olona teny Andavamamba  : 17 taona roa sy 19 taona nahavita nanindrona antsy olona

    Tovolahy vao 17 taona roa niampy ny namany iray 19 taona nahavita namono nahafaty, nanindrona antsy ny namany ihany, teny Andavamamba, ny 17 febroary lasa teo. Ny asabotsy ihany dia voasambotra izy telo lahy raha nihevitra fa tsy nisy nahalala fa izy ireo no nahavanon-doza. Voasambotra teny Andranomanalina sy 67 Ha izy roa lahy.

    Ny zoma lasa teo, nisy olona tonga tao amin’ny BC2 Anosy, nilaza fa misy tovolahy maty nisy namono teny Andavamamba ary efa ao amin’ny tranom-paty ny razana. Rehefa nanao ny fizahana ny polisy, fantatra fa tsindron’antsy iray teo amin’ny tratrany havanana ambanin’ny nonony no nahafaty ity tovolahy ity. Tamin’ny fanadihadiana sy ny fikarohana nataon’ny polisy no nahafantarana fa tovolahy telo niaraka nanao baby-foot taminy teo antetezana Afovoany Andavamamba no nanindrona antsy ity tovolahy maty ity. Nisambotra avy hatrany ny mpitandro filaminana ka izao izy telo lahy tratra izao. Nilaza ry zalahy ireto fa efa mifankafantatra tsara satria samy mpanao baby eo amin’ity toerana ity. Tamin’io fotoana io anefa, nisy ny fifamaliana teo amin’izy telo lahy sy ilay maty. Nandeha nody naka antsy tany an-tranon’ny iray izy telo lahy. Rehefa tafaverina avy any izy ireo, nanindrona tampoka ilay antsy tany amin’ilay namany. Nitambotsotra ity farany ka novonjen’ny olona nentina tany amin’ny hopitaly saingy efa tsy tana intsony ny ainy. Naiditra am-ponja vonjimaika omaly ireo.

    Yves S.

    Les commentaires sont fermées.