Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Asoimi : amin’ny 6 ora maraina ny fifidianana

    Asoimi  : amin’ny 6 ora maraina ny fifidianana

    Sambany ary voalohany eo amin’ny tantaran’ny fanatanjahantena eto Madagasikara ary amin’ny fifidianana ankapobeny mihitsy no hisy fifidianana manomboka amin’ny 6 ora maraina. Hisantatra izany amin’ity alarobia ity, ny Asoimi (Association omnisport interministerielle et institutions), izay hanatanteraka ny fifidianana ny ho filoha hitantana ity fikambanana misahana ny fanatanjahantena natokana ho an’ny mpiasam-panjakana ity. Raha ny filazam-baovao, hotanterahina etsy amin’ny efitranon’ny ANS Ampefiloha, izany.

    Velon-taraina amin’izany ny komity mpanohana ny kandidà Randimbiarisoa Oliva, satria na ny fifidianana izay ho filoham-pirenena nifandimby teto Madagasikara aza, tsy mbola nisy nanomboka tamin’ny 6 ora maraina izany fa amin’ny 7 ora. Ankoatra izay, mbola manjavozavo be ihany koa ny lalam-pifidianana sy ireo olona manan-jo hahazo handatsa-bato, izay miova isa-minitra ny lisi-pifidianana. Raha ny heno tamin’ny fanadihadiana natao, nomena alalàna hifidy ireo tsy mpiasam-panjakana. Na izany aza, naneho ny fahavononany hatrany ny komity mpanohana sy ny kandidà, Randimbiarisoa Oliva, hiatrika ny fifidianana anio.

     Torcelin

    Les commentaires sont fermées.